Ratsiraka, Didier Ignace dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko pôlitika Andrin' ny Revolisiôna Malagasy (AREMA). Teraka tamin' ny 4 Novambra 1936 tany Vatomandry, faritanin' i Toamasina izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao Antananarivo. Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny taona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i Zafy Albert ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy fa i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena. Nirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena Ratsiraka tamin' ny taona 1996 ka lany soa aman-tsara. Navelany ny sôsialisma ka nosoloiny fotokevitra manandratra ny olombelona mirindra amin' ny tontolo iainana (humanisme écologique). Nanova ny lalàm-panorenana izy mba hampitomboany ny fahefany. Nisy fihatsarany ihany ny toekarena. Taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2001 nifanandrenany tamin' i Marc Ravalomanana izay niteraka fahasahiranana teto amin' ny firenena, ka nanambaràn-dRavalomanana tena ho filoham-pirenena tamin' ny 2002, dia niala an' Antananarivo Ratsiraka ka nonina any Toamasina, avy eo nankany Frantsa. Tamin' ny taona 2009 izay nanongananan' i Andry Rajoelina an-dRavalomanana dia anisan' ireo nandray anjara tamin' ny fifampiraharahana notarihin' ny Firaisambe Afrikana i Ratsiraka mba hametrahana fitondram-panjakana tetezamita andraisan' ny rehetra anjara, tsy nahomby anefa izany. Nikasa ny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena Ratsiraka tamin' ny taona 2013 nefa tsy voaray ny firotsahany. Tamin' ny 2018 dia nilatsaka ho filoham-pirenena izy nefa tsy lany tamin' ny fihodinana voalohany.
Developed by StudentB